AGENT DE PROSPECTION TEMPORAIRE - Emploi offre
Par Jannati - Jeudi 11 juillet 2019 à 10:03:08 - Madagascar / Antananarivo
ASA AN-TSELIKA VITA VETIVETY : AGENT DE PROSPECTION TEMPORAIRE
(fizarana manan-kery 36 ora)
FETRANY: herinandro farafahaelany afaka ahazoana hatramin’ny roa hetsy ariary, miankina amin’ny ezaka ataonao.
VOKATRA TRANDRAHINA:
PACK poketra bandoulière lamba na mifono lamba sy tapis fonosina lamba na koa kiraro raha mahita, samy ampitoviana amin’ny raoby miaraka aminy (tissus jersey na benares, na cotton pure na polycotton).
ASA ATAO: mitondra sary maromaro any amina atelier mpanao confection vitsivitsy izay ho tadiavinao (any anaty vondrona fb momba ny zaitra misy betsaka). Misafidy izy izay afaka ataony amin’ireo sary ka raha latsaky ny fetra (barème) omena anao ny prix omeny dia asaina manao echantillon iray aloha izy hijerena ny kalitao. Raha mihoatra (lafo) kosa dia avy dia isaorana izy fa tsy atao ny echantillon.
Ny atelier no miantoka izay ilaina rehetra ary vokatra tonga dia vita no ho vidina aminy. Vidina aminy koa ny echantillon vitany. Izahay no mandoa azy any.
SARANY: Roa alina ariary isaky ny echantillon vita ny anao. Afaka raisinao isaky ny mitondra echantillon vita ianao na atambatra amin’ny farany.
Forfait déplacement sy credit ary solon-tsakafo isanandro : dimy arivo ariary ihany. Anjaranao ny mandrindra ny dianao mba tsy handany mihoatra. Izay akaikikaiky anaokokoa ohatra no trandrahina na asesy. Afaka miasa tapakandro na ora vitsy fotsiny koa ianao fa omena anao ihany io forfait io.
FITSIPIKA :
1/Maodely roa ihany no afaka ampanaovina atelier iray.
2/Izay maodely efa noraisin’ny atelier iray dia tsy entina any amin’ny atelier hafa intsony.
3/Mila misy tatitra isanandro na alefa message na atao mifanatrika : contact et adresse des ateliers trouvés, acceptation prix raisonnable na tsia, oviana no vita sy alaina ny echantillon.
4/Atelier manana machines industrielles sy ouvriers vitsivitsy no tadiavina fa tsy tailleur miasa irery noho izany tsy vitana MP ilay izy (sao de hoe tsy hihetsika ao-trano ianao) fa tsy maintsy tonga any ianao manamarina izany ary vao misy echantillon mahaliana dia miaraka aminao mankany izahay handraikitra commande.
5/Tsy mihoatry ny folo ny budget natokana ho amin’ireo echantillons.
6/ Dimy andro aorian’ny nanombohana ianao efa tokony miandry ny fahavitan’ireo echantillons sisa fa tsy mbola hitady atelier hafa intsony.
7/Mila vita herinandro taorian’ny nanombohanao ny asa ireo echantillons rehetra.
Raha manana fibre commerciale ianao dia mety misy azo anohizana ny fiaraha-miasa aoriana kely, contrat free-lance hafa indray.
NAOTY: candidature miaraka amina CV misy sary sy nomerao alefa mail avy hatrany fa tsy atao any anaty commentaires. Ny mail voaray dia ho voavaly daholo na voasafidy na tsia.
Adiresy mailaka: jannatiressources@gmail.com
TSY MISY ENTRETIEN LAVA INTSONY FA MBA AVY DIA ADIKAO IREO REHETRA IREO
TONGA DIA MISAFIDY ANY ANATY MAIL IZAHAY DIA MIANTSO OLONA IRAY AFAKA AVY DIA MIASA
Mankasitraka
Commenter cette annonce
mode debug : https://www.gasykamanja.com/