4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

?? MANANA FIKASANA HIVIDY TRANO NA TANY ETO ANTSIRABE SY NY MANODIDINA VE IANAO? - Immobilier

Par AinaImmo - 0340255077 - Mercredi 17 mars 2021 à 06:38:19 - Madagascar / Antsirabe
  • ?? MANANA FIKASANA HIVIDY TRANO NA TANY ETO ANTSIRABE SY NY MANODIDINA VE IANAO? image 0
MANANA FIKASANA HIVIDY TRANO NA TANY ETO ANTSIRABE SY NY MANODIDINA VE IANAO


Ny Agence Immobilière AINA Antsirabe dia mikirakira momba izany ary manana tolotra isan-karazany ho anao izay mitady trano na tany: trano mitokana misy rihana sy tsy misy rihana, tany hanorenana, tany hanaovana tetikasa ary tany fambolena.


Ny fitsidihana ny trano na ny tany izay mahaliana anao dia maimaipona.

Ny serivisy atolotray mikasika ny fividianana trano na tany dia maimaipona ihany koa.

Ny tany sy trano amidy izay atolotray dia manana taratasy ara-dalàna avokoa.

Ekipa efa za-draharahara, manana traikefa ary mavitrika no handray anao.



SERIVISY MANOKANA ATOLOTRAY


Ny ekipa dia vonona ny hamaly izay fanontaniana rehetra ary vonona ny hanome fanazavana izay ilainao. Toro-hevitra avy amin’ny matihanina no aroso anao.


Hodinihinay tsara ny tetikasanao ary hikaroka ny trano na ny tany mifanaraka amin’izany izahay.


Trano na tany izay mamaly ny famaritana narosonao ihany no atolotray anao, miaraka amin’ny fanazavana rehetra; izany dia mba tsy ho lany fotoana ianao.


Manotrona ary manampy anao izahay isakin’ny fitsidihana.


Manampy anao ary eo akaikinao izahay amin’ny dingana rehetra ilaina, mandrapahatontosa ny fifampivarontana ary mandrapahafindra ny anaranao ao anatin’ny “livre foncier”


Raha manana fikasana hampanofa ny trano ianao aorian’ny fahazoana azy, dia vonona ny hanampy anao izahay mikasika izany : fanaovana tombambidy, fitadiavana mpanofa, fanaovana fifanarahana fampanofana “contrat de bail”ary ny fanaovana ny lisitra mombany trano alohan’ny hidirana sy hivoahany mpanofa “état des lieux d’entrée et de sortie”.


?? Raha mikasa hanorina trano na hanavao ny trano, dia mahalala olona matihanina amin’ny fanamboarana trano sy azo atokisana tsara izahay.


Ho fanampin’izany, raha manana famaritana manokana ianao dia aza misalasala mampita izany aminay. Hanao fikarohana haingana ho anao izahay.



Ankino amin’ny efa za-draharaha ary matihanina ny tetikasanao dia hilamina tanteraka ianao.





“HIVIDY –HIVAROTRA –HAMPANOFA- HANOFA ... TRANO NA TANY ETO ANTSIRABE SY NY MANODIDINA– ADIRESY TOKANA HO AN’NY TETIKASANAO: AGENCE IMMOBILIERE AINA ANTSIRABE”.
Ny tolotra arosonay, dia matotra sy mangarahara ary azo antoka.
Mikajy hatrany ny hisiany tombontsoa mitovy, eo amin’ny tompony sy ny mpividy na ny mpanofa.
N’inon’inona ny tetikasanao, na ohatrinona ny teti-bolanao; dia vonona hanome fahafapo ny rehetra izahay.




Manasa anao tompoko hifandray aminay


AGENCE IMMOBILIÈRE AINA ANTSIRABE
https://aina-immobilier-antsirabe.com
contact@aina-immobilier-antsirabe.com
0340255077 - 0330255077 – 0328347800

Partager cette annonce

Commenter cette annonce

mode debug : https://www.gasykamanja.com/