Hirahira iray, 
Vetsovetso izay mampatsiahy anao sy ireo izay natao
Vazovazo izay feno ireo fitia 
Izay nomeko anao avy ao am-poko ao
   Fa natokako mba ho anao izy iny
   Hovazoko foana rehefa tsy eo ianao
   Vokatry ny fo, tsy mba mety ho loha
   Ho fahatsiarovana mitoetra rahatrizay
Ref: Vetsoko iray vaovao 
        Mba tsy hanadinoiko ireo mamy
        Sy ireo lasa tsy afaka an-doha
        Hira iray ho anao, 
        Mitoetra ao anatiko ao
        Ho tsiaro tsy ho faty ao am-po.
Hirahira iray,
Vetsovetso izay ahatsiarovako ny anaranao
Vazovazo izay hokaloiko hatrany 
Rehefa tsy eo ianao ka ho irery aho
   Fa natokako mba ho anao izy iny.......