Fahavaratra ny andro 
Orana no manjaka ety 
tsy ahalalana andro atoandro 
Toa tsy maha te ho tia 
Fahavaratra ny andro 
Tsy ahalalana andro atoandro 
Ny voary no lena 
Kotsakotsa mahonena 
Orana tsy miato toa mihoby mikorana 
Tsy ahitan-java-kanto nefa tsy azo hialana 
fa raha ratsy ny andro, tsy ahitan-java-kanto 
Ny orana no manjaka ety toa tsy maha-te ho tia 
Fahavaratra ô (2) 
Herinandro toy izao 
tsy ahafahana manao ny atao 
fa petsapetsa lava izay rehetra hitanao 
Herinandro toy izao 
tsy ahafahana manao ny atao 
Ny orana no manjaka ety 
toa tsy maha-te ho tia 
Fahavaratra ô (2)