Aiza ianao
Mangatsiaka ny alina, fa lasa ianao
Ilay Tiana izay mba nanafana, lasa nandao
Nandao lavitr’ ahy fa tsy haiko
Nandeha nampanahy ny saiko
Ilay penina no mba namana			
Hizarako ireo lasa, indrisy fa nandatsa
Mitamberina ilay fiaraharana
Tsy mba ory fitia ny eo anilan-dry
	    Réf : Baby! Aiza ihany oa aiza ianao
		   Irery, zah mangina lava izao
		   Zay misy anao, dia mba lazao
		   Ilay teny, tambitamby nataonao
		   Sy ireny zava-bita sy natao
		   Tsy haiko fafana, mbola tamana
Raha tojo sarotra ianao teo hatrany
Tsy adinoiko satria tokana an-tany
Ireo ditraditrako izay tsy tinao
Efa nasoloko fitia vaovao
Ilay fotoana izay nifandaozana
No nampitombo ilay fitia, natokako ho andry
Aza ela ianao fa tokana iray
Manirery, misento, ngôma anao zah fa ento
			
    Réf : Baby!Aiza ihany oa aiza ianao
		   Irery,zah mangina lava izao
		   Zay misy anao, dia mba lazao
		   Ilay teny, tambitamby nataonao
		   Sy ireny zava-bita sy natao
		   Tsy haiko fafana,mbola tamana
JARIH