Any an-danitra any no fonenako 
Any aho no hody raha vao miala ety 
Vetivety foana dia ho hitako 
'Lay tanAna soa fiononako 
Any an-danitra any no halehako 
Any aho no hody raha vao miala ety 
Hatrany am-piandohAna no efa fantatro 
Any izahay re tsy mba mety lo 
O ry fasan'iny nahoana kosa ho'ahy 
Izay nalavonao ka tsy tafarina 
Zaza menavava tanora antitra 
Natelinao daholo tsy afa-niala pA 
Maka ianao tsy niera mamely tampoka 
Tsy nisy serasera na ady varotra 
Vatana sy nofo miraradraraka 
Ataonao tsy afa-bela zahay olombelona 
Fa ny fanahiko, 
Fa ny fanahiko 
Tsy ho azonao rahoviana na rahoviana 
fasana O 
Fa ny fanahiko, 
Fa ny fanahiko 
Hamaky habakabaka tsy hay samborina O