Miderà an’i Jehovah
Miantsoa ny anarany
Mihirà, mihirà ho azy
Ary mankalazà azy
Mitadiava an’i Jehovah
Katsaho ny tavany
Tsarovy ny asa mahagaga nataony
Sy ny voninahiny
Refrain : Sambatra isika fa olon’afaka
Ny famonjena efa vita
Ka mifalia sy mihobia
Haleloia, miderà an’i Jehovah
Mandrakizay ny famindrapony
Mankalazà, iza no mahalaza
Ny asa lehibe nataony?
Jehovah ô! lehibe indrindra
Ny anaranao mendrika ho deraina
Mihobia, manompoa an’i Jehovah
Amin’ny fonao