Andriamanitra o toroy ,ny lalana marina
Fa ianao no fivoy tsy hampivarina
Ny fo sy saiko miharatsy , fa takona hazavana
Hery tsy haiko no mamatsy,mahabe fahotana
Mba miezaka aho ny hitraka , nefa ny heriko mitana
Ny famelanao ry mpanjaka,no mandresy ny gejan’ny satana
Ry tompo omeo hery aho
Entiko hanompo ny anaranao
Fa ny fakampanahy,mbola mananontanona ahy
Ny fitiavan-tena mamenatra jarena
Vonjeo aho ry tompo
F’ao izy e hanome lay anjara fitia
F’izy anie no mandre ny antson’ireo very dia
f’izy anie no hany mandre
Ny antso manginan’ireo zay mania