Handeha ho any ianao ka fantaro
Fa tsisy paradisa ho vantanina any
Omany dieny izao fa sento lavitrisa
No ho vantaninao noho ny fahantrany
Fandrao dia manantena ny lonaka ianao
Raha mody an-tanindrazana
Tandremo dia tandremo
Sao ranomaso sisa no ho fihazana
Fa soa fa fantatrao f’ilay fanahy velona
No ho katsahinao d’ilay lamba tsara tenona
Tinafy hatramin’izay
‘Lay vongam-bolamena
‘Lay antsa sarobidy
Ny teny soa tadidy
Tsy maty ao am-ponao
Izay ‘lay taninao
Na dia tonta aza tsy amidy
Tsy atakalo randram-bao