O ry tiako an
Aleo vakina bantsilana
Fa indriko ho’aho 
Tahakin’ny toa hanahirana
Fa sanatria ohatran’ny
Boka hanambady maika ery
Maika ny hanao mariazy
Herinandro izao
No niarahako taminao
Dia gaga aho
Fa terenao lava izao
Hoe kitakitano
Dia ataovy ny raharaha
Fa raha tsy izany
Dia ilaozanao aho
Fa hono ho’aho
Inona ity maha maika ô
Kanefa lahy tsy hoe
Zazakely mitsaika ô
Raha izaho aloha 
Tsy mbola amin’ny fahamatorana
Ny tena moa 
Zaza vao ray ranon’orana
Patalohako aza
Tsy zakako fa miborotsaka
Ny fandriako aza
Indraindray mbola hotsaka
Ary indry indray 
Hita fa mbola ankizy
Fa miseho milay 
Te-ho lehibe izay tsy izy
Jereo anie 
Tombany avy ety anoloany
Antonale!
Azo ipasoana daomy
Raha misarom-boaly io
Dia hanalasala tokoa
Ny hoe tsy mpanambady io
Fa komonio voalohany
Fa raha tsy andrinao
Ny hivadintsika roa
Izao dia izao 
Andao haka avance aloha ôô
Andeha hilalao  
Hilalao amin’ny tanàna
Ka izaho sy ianao 
Manao dada sy mama 
Raha tsy tia indry
Dia andraso hoe vetivety
Izao akia
Izao angamba ny mety ô
Ny krisimasy izao
Efa atomotra kely
Andeha izaho sy ianao 
Hanao arba de noely
Ka ianao Maria
Izaho kosa Josefa
Dia hifankatia
Tandritandremo ihany nefa ô
Tandremo malala an
Tandremo indray sao midongy
Hoe hisary adala
Ao anaty tranon’omby
Fa tantara masina
No holalaovintsika
Tantara masina ka 
Aoka tsy hisy tomika
Ny fakam-panahy
Tsy ho tafiditra ao velively
Fa sao lahy hiteraka jesosy kely
Aoka etsy fa izaho 
Indray aloha dia tsy namana
Ary avy aty
Avy hametrahako tanana
Fa raha hoy indry 
Hoe tafahoatra ny vavako
Manambadia manambadia re rahavako
Tsofiko rano mba tsy hisaringoringo
Tsy hahita hangano
Ilay mahasahy midi-bingo
Dia mirary soa
Andàna ’nareo raha hitambatra
Mandàna koa e
Manaova tsikonina sambatra ô
Malehova tena 
Ry kiala mpanao kopi-soroka
Ary maharena 
Tokatranon-jaza maroroka