Sambatra aho eo anilanao
Ry Tompo tia sy mpamindra fo,
fa mbola hafa ny fitiavanao
navelanao ny hadisoako.
Ny vavaka izay tononona,
raha miresaka aminao,
dia nahitako fiononana
nitondra hery vaovao
Ref: Fa mbola hafa Ianao ry Ray,
       mahatahiry sy mamindra fo
       mikolokolo ny Fanahy
       mikarakara manasoa
       Tsy mba navelanao ho irery
       hiatrika ady mahavaky loha
       fa indro tonga Ianao nijery
       fitia tsy mananmpaharoa
Raha mbola hisy koa ny farany 
ny fanantenana no hiraina,
samy hahazo ny anjarany
fambola ho avy ny maraina.
Ny sandrinao no hifikirako
ny teninao no hianteherako
Sambatra loatra ny anilanao
fa mbola hafa ny FITIAVANAO
Sambatra aho, afaka, Tompo ô! Misaotra Anao.....
Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana.