Mamonjy miasa tany tambanivohitra }
any ambanivohitra any }indroa
Ny andro lohataona }
andron'ny mpiasa tany }indroa
Mafy anefa ny asa tany (2)
Ka mila herin-tsandry
Raha hifanadrina amin'ny tany
Mamonjy renivohitra ireo tambanivohitra
Any ambanivohitra (2)
Tsena ny andro any a! }
Andro fivarotana }indroa
Miakatra ny vokatry ny tany (2) }
Hatao inona daholo ? }
Hatakalo vola ho a! }indroa
Toa mitady kandra foana ho aho ny tary e!
Any an-drenivohitra any (2)
Toa màzana ihany vao mety mahita
Ka very any an-drenivohitra any e!
Mivarotra ny herin-tsandriny izy e! (2)
Toa migadragadra foana ho aho ny tary e!}
Any an-drenivohitra any }indroa
Fa inona ihany no mahatonga izany a!
Ka very any am-pigadrana any e!
Tsy aty ambony tany intsony izy e!
Izany e !tsy miparitaka (2) }
Ny olona rehetra anefa mahalala izany }indroa
Tsy afaka mankaiza izy e!
Tsara ambina tsara ho aho ny figadrana any e! (2)
Fa very any am-pigadrana any e!
Tsy aty ambony tany intsony izy e!