1- Endrey Jesosy fa nitombo 
         sady vokatra tokoa. 
         Ireo voa izay nafafy
         teo an-tanimboly soa.
      2- Fifaliana, fihobiana 
         ho Anao ry Tompo ô !
         Voninahitra sy haja
         no asandratray izao
      3- Mba mangataka Aminao 
         Izahay mpanomponao.
         Tsy hivily, tsy hania
         Fa hankato ny teninao
      Ref : Jesosy ô! Jesosy ô!
              midera anao tokoa izahay
              Ankizinao, tanoranao
              Ho vonona hanompo Anao.
              Dia hatanjaho, sy anjakao
              Ireto ondrikelinao.
              Ka tahio, ampitomboy
              ho feno ny Fanahinao.
                 RAZAFIALIMAVO Vololonirina