Toa nipitrapitra, lasa saina
Mandinika lalina ny fiainany izy
Nefa toa varimbariana
Misy zavatra tsy inony
’Nefa manindrona ny fony ka marary
Marary ho’aho izy
Nilaozan’ilay tiany izy ka tomany, tomany
Niady izy ireo mantsy androany, androany
’Nefa izy ireo efa niaraka hatrin’ny ela, hatrin’ny ela
Ankehitriny indray ve dia havela
Sarotra ve ny manaja fitiavana
amin’ny maha fitiavana azy
Sa mora kokoa ny milalao ka manao vazivazy
Mampijaly ny hafa
Fitia diso toerana, handratra, hiserana.