4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Satry ihany - Mahaleo

Satry ihany ny tsiky no hameno, handravaka ny tavanao
Ka tsy hikentrona intsony ny tarehy
Satry ihany ny hira no ho heno, hivoaka ny molotrao
Ka tsy ho taraina intsony no ho re

Indrisy anefa mbola tomany
No manamando ny tava
Noho ny fahoriana misesy
Mbola toloko ihany
No mivoaka ny vava
Fa fahantrana tsy mety resy

Satry ihany ianao tsy ho noana ,ary koa tsy hangetaheta
Mba tsy handry fotsy lava izao
Satry ihany izay manoloana, tsy ho feno herisetra
Ka hilaminan-tsaina fehizay ianao

Indrisy tsy nisy niditra am-bava
Ny tenda koa zary maina
Ny tsy fisiana tsy mahavoky
Mbola tebiteby lava
Tsisy hilaminan-tsaina
Sady kivy ianao no very toky

Ianao miezaka hatrany
Mihoatra ho tafita
Tsy miraviravy tanana
Tsy maintsy mbola hivaly ihany
Tsy maintsy hahita
Ny anjara fiadanana

                  

Partager satry ihany

Commenter satry ihany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite