4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sento - Mahaleo

Handeha hanohy irery ny lalan’ny fiainana aho izany
Na dia efa reraka aza, na kivy ambony ihany
Hono ho’aho ry lahy mba mety miverina va
Ireo masoandro maty sy ireo tsiky ny lasa

             Manjombona lava izato lanitr’ô
             Toa folakandro ririnina tsy vaky masoandro ô
             Ravinkazo nentin’ny onja aho
             Jamba very dia ka mitalaho

                           Mba henoy ity sento ity ry Dada sy Neny ô
                           Aloka sisa hono ianareo
                           Nefa toa mbola eo anilako eo

                           Mba henoy (...) mbola eo anilako eo

Handeha hanohy irery ny lalan-kodiavina aho mantsy
Na very olon-tiana aza, na ts’isy mpanampy
Fa kamboty nahita ny ngidin’ny fiainana
No sisa tavela tamin’ireo namana

             Izaho anie ka tsy mila ny sentonareo
             Ireo famindram-po atsaharo hatreo
             Fitiavana hitantana no atolory
             Fa io anie no maha ory

                           Mba henoy (...) mbola eo anilako eo (2)

Partager sento

Commenter sento

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite