4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira 'lay tsy miova - Green

Green ’Lay tsy miova



Iriko hanompoana ny anaranao

Ny androm-piainako rehetra

Iriko ny  hahalala ’lay fitiavanao

Ilay fitia tsy misy fetra

Atolotray ho anao ry Ray

Izao andro anio izao

Ifonanay aminao izay tsy sitrakao



Inoako fa ilay Ray be fitiavana ianao

Tsy mamela anay hitsetra

Inoako fa mitantana hatrany ianao

Izay alehako rehetra

Fantatrao ihany izahay fa osa sy malemy

Toy ny zazakely tsy mahasara-dreny



REF

Mino anao izahay ry Ray

Mba henoy ny vavakay

Manantena fandresena, famonjena

Efa fantatray ry Ray

Ny fitiavanao anay

’Lay tsy miova omaly anio mandrakizay



Iriko ny hitandrina ny teninao

Ireo didinao rehetra

Hahatonga ahy ho mendrika ny ho zanakao

Saingy indrisy anefa

Tsy miafina aminao zahay

Manota ombieny ombieny

Ifonanay aminao ireny rehetra ireny



Mino anao izahay ry Ray...



Fantatrao daholo raha ny amiko

Ny fiainako ny fisainako

Tsy misy miafina aminao

Hatram’izay ka hatramin’izao

Izany no antony ifonako aminao

Fa tsy mendrika aho

Fa tsy mendrika



Mino anao izahay ry Ray...

Partager 'lay tsy miova

Commenter 'lay tsy miova

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Green