4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira 'ndeha ho any - Njila

'Ndeha ho any aho
Hamangy anao, ho any aho anio,
Manahiahy sao ianao
Variana anilany eo;

'Ndeha ho any aho,
Hotonga any aho, ho any aho anio;
Ny fo midoboka, manahy,
Misaina ny aminao,
Sao ho'aho ianao tsy miandry, tsy ao.

    Vao mangiran-dratsy any aho dia handeha
    Fa tsy hiandry ny andro maraina
    Hahitako anao
    Na lavitra aza ny aleha ho tongako ihany.
         
            Fanainga lavitra tsy haiko ialàna
             ny famangivangiana anao;
            Tsy asiana eritreritra izay mety hanjo
            fa satry hamangy anao
                        Raha ho avy ianao, izaho eto ihany
                        Manahy aho ny aminao,
                        Manahy ny momba anao.

Tsy ho any aho
Tsy hamangy intsony any aho anio,
Miahiahy foana ianao,
Misalasala aho;

Mibedy ianao,
Midongy, miavonavona,
Ny ambom-poko mihodina
Ny saiko mianjona
Tsy misy iriko intsony aminao.

    Notsinjaraiko tany ho any ny fitia
    Fa ny ambongadiny natokako ho an-dry
    Raha sendra mandalo ianao indray andro any.

            Fanainga lavitra ...sns...

NJILA

Partager 'ndeha ho any

Commenter 'ndeha ho any

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite