4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira tena tiako ianao - MIRADO

Androany izao dia izao
Izao no ilazako aminao mazava
Ny ato am-poko hatramin'izao
Ka mba raiso sy henoy
Fa mba hiangaviako mihitsy ianao
Tsy fanaoko izao,ny hilaza hoe:
Tiako ianao

Sanatria tsy sangisangy
Na teny an-tendromolotra ihany
Izao lazaiko anao izao
Raha tsy mino ahy ianao
Indro averiko indray ho renao
Tiako ianao,tena tiako ianao

Ref:Tsy manery anao anie aho
Tsy hoe koa hoe mitalaho
Fa ny ato am-poko
Izay ao anatiko
Izay no tsoriko aminao

Raha tsy mino ahy ianao
Indro averiko eto indray ho renao
Tiako ianao,tena tiako ianao

Tsy miandry valiny aho
Zaho tsy hangataka hiaraka aminao
Tsy izay no tanjoko
Fa raha toa tsapanao
Fa mitovy lanja amin'ny ahy ny fitiavanao
Dia raiso ny tanako

Partager tena tiako ianao

Commenter tena tiako ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MIRADO

Suite