4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira 'zay mihitsy - Artista mitambatra

    (Malagasy tsy maintsy mitsangana)

    (Tsy teren’ny avy etsy sy avy ery)

    (Fa manan-jo hijoro amin’ny heviny)







Nalainy taminao ny fananana

Very ny harem-pirenena

Namidiny ohatry ny anana

Na hazo, na vato, na volamena…

Nofoanany ny fanampiana

Ny orinasa mikatona jiaby

Ny basy sy ny miaramila

No tiany hananganana ho avy !

Reraka mafy ilay gasy

Noana tsy manan-ko hanina

Mitombo isan’andro ny maty

Anaovan’ireo mody fanina

Ireo jamban’ny vola amin’izany

Mikafiry misisika eny ihany

Tsy hitan’ny masony akory

Ilay vahoaka mandady amin’ny tany !







Refrain:

Avoahay aminay ny tantara eee !

Tsy anampiana ary tsy analana

Ho hitan’ny dimby sy fara

Hoe iza no tena adala!

Aza afenina fa aleo hazava eee!

Mahantra izahay fa tsy zaza

Nareo no manao mody miady

Dia ny gasy jiaby voasazy







    (Fiombonana tafita foana)

    (Malagasy mitraka no tanjona)

    (Malagasy mifehy Firenena)

    (Malagasy zary vatolampy)

    (Malagasy tsy mikoso maso)







Ilay valam-parihantsika,

Mbola isany moa Mozambika ?

Fa na Frantsay na Amerikana,

Na kely maso na Afrikana

mmm… Biznesy planina ?





Ilay economiantsika                  (ououay…)

Voan’ ny angatra sa farasisa ?    (toa efa fay)

Efa naolan’ny mahitahita            (tena mampikolay)

Fadiranovana toa osaosa

Tsy misy tombony fa bokan-trosa







Ary ireto mpanao politika

Miandry baiko sy tia gidragidra

Efa hatrizay no mifanao menace

Tia kafoiazy sy feona basy

Tia manangan-tsandry !







Ilay fahendren’ny razantsika

Nivadika lohan’alika !

Lohan’alika dia nidiran-doza,

Lohan’alika nandoro ny Rova,

Lohan’alika dia lasa mpandroba!







Refrain:

Avoahay ary aloha ny tantara         (avoahay!)

Tsy anampiana ary tsy analana

Ho hitan’ny dimby sy fara

Hoe iza no tena adala !

Aza afenina fa aleo hazava

Mahantra izahay fa tsy zaza

Nareo no manao bodongerona

Dia ny Gasy jiaby voatrerona







Ka aza mifanorisory !

Mpiara-miasa tsy atao atsangory

Miara-mitady, tsy asiana ankilentika

Partenaires tsy mifampitsentsitra :

Miara-mahandro dia miara-mitetika

Avia raha hiketrika !







Ary ity Gasy mangina ?

Moana sa nampatoriana ?

Sady nampahoriana

Vahoaka badenina tsisy mahalala,

Nomena bonbon dia natory tsara

Tsy mahay ny tantara…

Partager 'zay mihitsy

Commenter 'zay mihitsy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Artista mitambatra