Tanora ihany aho
Mba tanora toa anao
Nandeha ka nakamamy 2X
Izao fiainana izao
Nandeha nirenireny, fa nofo ihany moa
Kanefa, Hay ireny namitaka avokoa
Refrain:
Mitety ranomasimbe
Ny fiainantsika ety
Mazàna isika dia variana
Sy sondriana ery
Ilay Jesosy izay nanao ny fanekeny
Mpanamory mahay no kapiteny
{Jesosinay, kapiteninay
2X {Tena itokianay, mandrakizay
Mbola lavitra ilay seranana
Izaho tsy manahy fa ao
’lay tanana 2X
Nitsotra tamiko, hatramin’ny taloha
Ka dia ho tanako mba,
Ho fananako
Refrain:Mitety....
...mahay no kapiteny
{Jesosinay.......
3X {..........itokianay mandrakizay