Misy tany iray any ho any
'zay malaza ho sambatra ery,
paradisa ambonin'ny tany
feno kalo arahana dihy :
any hono raha vao maraina
dia mikalo ireo manan'aina.
Ireo mpiandry ondry any an-tsaha
miran-dava sy tia lalao,
totorebika sy- fampitaha
no analany ny androny ao
mba henoy izatsy izy miravo
sy rnikalo amin'ny feo avo...