4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mianara miaina - Mahaleo

Mianara miaina



Fa maninona ary enao no mangina tsy miteny

Nefa vokatry ny atao ireny fijaliana ireny

Sy ireo zavatra miseho  mandrebireby fanahy

Mampisandratra ny feo ho sahisahy

Nahoana no avelanao hisoko mangina

Hameno ny ati-dohanao ny hakivina

Na izaho na ianao migoka rano tsy tiana

Mila zava-baovao mitondra hafaliana



Mianara mianina mianara misaina enao

Mila karakaraina ny ampitso maraina vaovao

Aza mety ho terena na manaiky hosena

Fa sahia mitraka refa tena tsy zaka

Mianara mianina mianara misaina enao

Tsisy te hiala maina tsidy te hitaitaina

Fa samy misaina ra izany no ilaina



Fa inona ary moa ianao ny zavatra mitranga

Na izao na ianao miandrandra lanitra ho manga

Ra hazavana tsy hita fa manangasanga

Variana mifandraitamita mamely diamanga

Dia io fa drodroky ny fiainana mavesatra babena

Izay tsy maintsy hieretana ka sorisorena

Ra valala be mandry tsy tafandry itsony

Efa sasatry ny miandry efa mivaralila ny fony



Hasakasakareo izay mitondra ny tany

Izay teneninareo tanteraho avy hatrany

Ny asa vitanareo tsy maintsy hisy hanontany

Mametraha tantara ho an'ny dimby sy fara

Hasakasakareo no finidim-bahoaka

Matatesa tsikera refa tsy misy hapoaka

Fahendrena ny miala refa tsy tafavoaka

Aleo halan'andriana toy izay halam-bahoaka (3)



Raoul

Partager mianara miaina

Commenter mianara miaina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite