4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsiaro - Mahaleo

Tsiaro

Kely izy roa dia nifankatia

Hiaraka ho doria doria

Tao ranomasina ary lanitra

Nanao voady hifanambady



Ny anjara tsy mahaleo ny sitrapo

Tsy tafiaraka akory izy roa

Fa nisampana ilay làlana

Ny iray nianatsimo

Ny iray nianavaratra



Tsiaro no sisa tavela ao am-po

Tsiaro no sisa iombonan’iziroa

Tsiaro no sisa tavela ao am-po

Tsiaron’olon-droa



Efa-polo taona indray hariva izay

Toamasina nanorana tamin’izay

Nifanojo tokoa ny làlan’izy roa

Tao no nisento, tao no niantso

Hoy ilay vavy, firy ny zanakao?

Ny ahy Rova toy ny anaranao

Ny ahy Felana hoy ilay lahy

Hatramin’izay aho tsy nanadino anao



Tsiaro no sisa tavela ao am-po

Tsiaro no sisa iombonan’izy roa

Tsiaro no sisa tavela ao am-po

Tsiaron’olon-droa

Partager tsiaro

Commenter tsiaro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite