Tia anie, tiako ho’aho, rony masom-panahiko leitsy
Mahatsiaro ireo andro taloha, ‘zay nivimbina lefo-maranitra
Nahatrobaka fo manirery ô
Banjinin’ny ory izy ireny, ary tairiny fa tsy mifoha
Ka kotsan’ny fahatsiarovana
Ireto maso ankiroa izay mijery
Tia anie, e e eny tiako ho ’aho (2), reo toerana maro naleha ho’aho
Dia mba vangivangio sombinaina, fa lavitr’ilay elanelana
Ary izaho, mbola tsy afa-mankany
Tia anie, tiako ho’aho; tena vazon’ny lavitr’izao
Kalokalon’ny manin-te hody, hirahiran’ny tofoka koa
Ka manisa ireo andro tavela
Ny sioka nitobaka very, no tiako hameno ny saina
Ny fanadinoina tsy misy
Raha mbola tany koa ny tany
Tia anie, e e eny tiako ô (2), ka na vahona izao na tangena
Fitsapana ka nisy isainana, hanadihadiana ny lasa
Hanembonana ny eny an-tanàna