Raha maizina ny andronao
mila tanana hanarina ianao
izay mijery mihomehy anao
na miodina tsy ahita izao
rehefa mahatsiaro irery ianao
fa nilaozan’ireo namanao
raha manavaka anao izy ireo
izay nilainy anao vita hatreo
fantatrao ihany
f’iray eto an-tany
no tsy toy izany
raha vao miantso ianao
hanantona aho
hanolotra fo tia anao
tena tia anao
tena tia tena tia anao