Aza mba manary toky (Mala)
Aza mba manary toky
F'any ambadika any ho any
Misy olo-mahatsiaro
Mahatsiaro anao lalandava
Vonona hifanampy
Hifanohana aminao
Ny hitsoaka sanatria
Fa izy anie ka be fitia
Aza mba manary toky
F'any ambadika any ho any
Misy olo-mahatsiaro
Mahatsiaro anao lalandava
Vonona hifanampy
Hifanohana aminao
Ny hitsoaka sanatria
Fa izy anie ka be fitia
Raha sendra ka manditsoka
Ilay rivotra mitsoka
Dia fafao ny ranomaso
Hisava io fa andraso
Raha sendra nahakotsa
Ilay oram-pahavaratra
Dia tsarovy fa ho avy
Ilay masoandro lohataona
Aza mba manary toky
F'any ambadika any ho any
Misy olo-mahatsiaro
Mahatsiaro anao lalandava
Vonona hifanampy
Hifanohana aminao
Ny hitsoaka sanatria
Fa izy anie ka be fitia
Raha sendra ka nandao
Ilay olon-tia anao
Dia aza mba manary toky
F'any misy vaovao
Raha milentika any ho any
Ilay masoandro nantenaina
Dia halaviro ny tomany
Mbola hisy ny maraina
Aza mba manary toky
F'any ambadika any ho any
Misy olo-mahatsiaro
Mahatsiaro anao lalandava
Vonona hifanampy
Hifanohana aminao
Ny hitsoaka sanatria
Fa izy anie ka be fitia
Aza mba manary toky
F'any ambadika any ho any
Misy olo-mahatsiaro
Mahatsiaro anao lalandava
Vonona hifanampy
Hifanohana aminao
Ny hitsoaka sanatria
Fa izy anie ka be fitia