Misy fotoana indraindray mahalasa saina izay
Mampametraka fanontaniana
Te hatoky bebe kokoa fa ‘lay fitia ‘zay ao am-po
Dia tena izy fa tsy mifangaro
Tsy te hamitaka ilay notiavina
Mba te hatoky fa izy ilay tena fitiavana
Ka rehefa heno fa midoboka ilay fo
Rehefa tsapa fa tsy takatry ny loha
Zay mety ho antony hitiavana azy!
Rehefa hita fa ‘lay teny hoe “nahoana”
No tsy misy valiny fa indro ianao toa moana
Dia izay ‘lay fitiavana
Tena fitiavana, madio