Ref:’Ndao hihira fiderana
Ho an’Andriamanitra
’Ndao hanandratra hôsana
Ho an’ny Tompo izay nahary
1-Ka ny dera ry Ray
No indro hasandratray
Ho anao, ry Tompo
Malalanay
Ka dia hira iray
No indro atolotray
Ho anao, ry Tompo
Mpanjakanay
2-Ka fiderana ao am-po
Noho ireo zava-tsoa
Izay nomenao
Ho anay
Dia fifaliana tsy ho lany,
Tsy ho roa aman-tany
Izay ho anao irery
Ry TOMPONAY