"MANGIGINA" ...
Mangigina e,
mangigina ety aminay,
mahavariana e,
mahavariana no sady milay,
ireo vahiny e,
izay tonga aty, manaiky anay
tsy misy tsiny e
Gasikara malalanay.
Analamanga e,
Analamanga no misy anay,
tanana manja e,
tanana manja fehizay,
djiaby djiaby e,
djiaby djiaby no monina ao,
mba miandrandra e,
miandrandra fianam- baovao.
Tonony sy feony : Mamy (Rinà)