Mamakivaky, ny alina
Ny afo izay miotrika
Ilay rivo-mahery, mitsoka hatrany
Mamafy rano, ho fahadiovana
Réf: Maro ny faly, maro no ravo
       mananga-tànana
        Fa ny fandresena sy ny fahefana  an'iBaroho
Ny sisa navela, rakitry ny ela
Tsy mety lefy, hiaro manda
Fa ny sangy mahery, sy ny herisetra
Havarina anaty, lavaka lalina
Réf: Maro ny faly, maro no ravo
       mananga-tànana
        Fa ny fandresena sy ny fahefana  an'iBaroho
Ilay rivo-mahery, mbola hitsoka hatrany
Hamafy ilay, oram-baratra
Ilay tompon'ny aina, no indro mijoro
Ny afony no hanendry, ireo mpandresy
Réf: Maro ny faly, maro no ravo
       mananga-tànana
        Fa ny fandresena sy ny fahefana  an'iBaroho
A/C RANDRIANARISOA Milon