DADA SY NENY
Tsy ho adino Ianao, ry Dada
Tsaroako hatrany Ianao, ry Neny
Fa tsy maty ao am-poko ny fitiavana anareo
Ka vetsoiko ombieny ombieny.
Ny fananarana natao,
Ny fanabeazana nomena;
Dia isaorana anareo, ary matokia tokoa
Fa tsy ho adino na hivena.
Ny fihafianao, ry Dada,
Ny fandeferanao, ry Neny
Hivavahako amin’ny Ray izay mpamonjy sy Mpiahy
Mba hitombo zato heny.
HAINGOMALALA