Efa maty jiro ange 
Ny ao antanàna malaza(2fois) 
E!ary ambony ary 
Toa misy feon-gitara(2fois) 
   Fa ao hono misy tovolahy 
   Lava volo sy volombava 
   Ka mihirahira mafy hoe 
   Mifankatiava f'aza miady a!(2fois) 
Fa ny tranon'i lery 
Tsy mba mikatona intsony 
Fa misokatra foana 
   Ka midikiditra ange 
   Izay akamany any a! 
   Ny tsy akamany any a! 
Fa tsy mba natory hono ange 
Ny tao antanàna malaza 
Fa vahoaka maro anisa re 
   Nihirahira mafy hoe 
   Mifankatiava f'aza miady a!(2fois) 
Fa nony hariva be 
Tonga namangy anazy 
Zandary sy ny basy 
   Fa ilay Ranamana 
   Nitory ny tsy fiteny 
   Niteny ny tsy fitory 
Fa fony izy lasana nandeha 
Nanafatrafatra hoe 
Izaho a!ka mbola hiverina eto ange ka 
Mifankatiava f'aza miady a!(3fois) 
   Na izaho a!na ianao a! 
   Dia samy miandry 
   (An'ilay Dimbaka avy any Nazareta 
   Izay namadika ny rano 
   Ny rano ho lasa Py)(2fois) 
Tena tsara revy any izy e!
Raha mba miaraka aminay 
Izahay mangetaheta   
   Tena tsara revy any izy 
   Raha mba miaraka aminay 
   Ho revy tsy vohafetra 
(Lay Dimbaka avy any Nazareta 
Lay tapa-mofo kely no nataony monjy be)(2fois) 
   Tena tsara revy any izy 
   Raha mba miaraka aminay 
   Zahay no mosarena 
Tena tsara revy any izy 
Raha mba miaraka aminay 
Zahay no mosarena 
   Tena tsara revy any izy 
   Raha mba miaraka aminay 
   Zahay mahantra arena 
(Saingy isika no diso 
No diso tamin'izany)(2fois)
   Na izaho a!na ianao a! 
   Ka samy miandry 
   An'ilay Dimbaka avy any Nazareta 
   Izay nizara ny lambany 
   Amin'ny olona mangitsy 
Lay Dimbaka avy any Nazareta 
Ilay mba nanome nizara tsy nitsitsy
Tarin'ny Anjely any izy 
Ka nanaraka azy tany 
Any andanitra any 
   Tena tsara revy any izy 
   Raha mba miaraka aminay 
   Ety ambony tany 
(Saingy isika no diso 
No diso tamin'izany)(2fois) 
   Na izaho a! na ianao a! 
   Ka samy miandry 
 ( An'ilay Dimbaka avy any Nazareta 
   Izay namadika ny rano 
   Ny rano ho lasa Py)(2fois)