karazan’olona maro
no efa nitady fiadanana
tsy hita isa koa
ireo efa nijaly, nanan’aretina
rehefa nifanena tamin’i Jeso
nifaly fa afaka olana
fa Jeso dia tonga ho an’ny olon-drehetra
mila famonjena,
ny fitiavany, fitia tsy manam-petra
ampy hamonjy anao
tsy mba nisy zava-tsarotra
tsy hay atao, inoy ange fa ho hitanao
ref: mankanesa aty amiko
ianareo rehetra izay miasa fatratra
sy mavesatra entana hoy Jeso
Izaho no hanome ny fitsaharana
ento ny ziogako,mianara amiko
fa mora sy maivana izany