Aza ny hakelezany no jerena
Fa ny hirany izay avy ao am-pony ao
Tsy fanatrao angaha fa io hira io
Dia tsy voafetra ny taona na koa ny rahony
Fa ny hirako mandaitra hatrao am-po
Mitondra hafaliana isam-baravarana
O hitety vohitra, hanaka-danitra
Satria hiderako an’Andriamanitra
Ny hira tsy natao ifaninanana
Fa vao maika mampiray no mampifankatia
Tia hira va ianao ? handeha hiara-dia
Hiaraka hanandra-peo hanao ity hira ity hoe :
Fa ny hirako...