Faly aho fa manana Anao, Tompoko sy Andriamanitro
Ianao irery hatramin’izay, Izay nanome toky hoe :
Fiv :
" Aza matahotra Ianao, fa momba anao Aho
Ary aza miherikerika foana F’Izaho no Andriamanitrao !
Fa Na dia mandra-pahantitrao, dia tsy miova Aho
Mandra-pahafotsy volo anao Hisahirana Aho,
Izaho no nanao anao sy hitrotro anao
Hitondra anao sy hanafaka
Raha sendra adim-panahy, Zanaka aho ka be ahiahy
Injao manako ao am-poko ao izao, Ilay Teny mamy nataonao