SARIMPITIA
Sangisangy nataoko anao igny
Tsy nampoiziko ahavignitra anao
Hay rô, nataonao ampo izy igny e,
Tambitamby , fifonana,
Nataoko iverenanao,
Nefa ianao, efa nalaigna zaho:
Sangimpitia no nahatonga izao
Fisarahantsika izao
Tsy fitia ny anao fa kilalao
Mora taminao ny nifindra lasy,
Ho eny antsandrin’olon-kafa;
Tsofin-drano e ahita ahasambarana,
Izaho koa moa iezaka hanadino anao
Fa sarimpitia ny antsika e sady kilalao
Fa sangimpitia ny atsika e, no nahatonga izao;
Fisarahan –tsy nampoiziko izy igny
Ka nalahelo aho latsa dranomaso
Nefa, mbola nanantena ny solonao
Ankehitriny aho nilaozanao
Na hahantra aho na ory
Tsy ho kivy sanatria
fa hiandry ny anjarako
Veloma ianao ry voron-tsaradia
Raha nikopak’elatra, nandao ity ankany
Tsofin-drano e raha tsy tamana intsony;
Izaho koa moa iezaka
Tsy ahatsiaro anao intsony..
Fa sangimpitia ny antsiak e sady kilalao,
fa sarimpitia ny antsika e ka veloma ianao
Veloma ianao ry vorontsaradia
Raha nikopakelatra hanadao ity ankany
Tsofindrano e raha tsy tamana intsony;
Izaho koa iezaka tsy ahtsiaro anao intsony
Fa sanginmpitia ny antsika sady kilalao;
Fa sarimpitia ny antsika e ka veloma ianao.
LENDREMA