Ary metimety ry mana-kavana (2*)
Raha manam-bola mana-taratasy
Ary manan’omby ary mana-kena
Manan-tanimbary manam-pitafiana
Tsa misy tahakin’ny mana-kavana e
Nilefalefa raha fokon’olona fa tonga ny vazaha senegaly eee (4*)
Raha metimety ry manam-piara (2*)
Ary manam-piara tsy mba mety tara
Ary manam-piara mahita vady
Ary manam-bady matory tsara
Tsa misy tahakin’ny manam-piara e
Nilefalefa raha fokon’olona fa tonga ny vazaha senegaly eee (4*)
Ary metimety ry manam-basy (2*)
Ary manam-basy manan-kery
Manan-kery mana-tany
Mana-tany mana-panjakana
Fa manan-tsoa ary mana-kavana e