Vao maraina mbola maizina 
Ny ilany atsinanana 
Renoky ny tory mbola tsara nofy 
Ny olo-manana! 
Injany feo kodiaran-tsarety 
(Tsy andavanandro)2 tsy andro fety 
    Fa mpivarotra ny Saribaon'Antananarivo 
    Mivarobarotra ny Saribaon'Antananarivo 
    (Bô e!)3 vao maraina 
    (Bô e!)3 rehefa hariva 
Mbola fahorina isan'andro 
Ny mitady ny entina mahandro 
Nefa marobe izao 
Ny olona mijaly toa anao 
Miady lava foana 
    Mbola fahorina ho azy 
    Ny mamonjy ny akany 
    Hiaritra hihaino indray 
    Ireto ankizy mitomany 
    (Noana aho)3 vao maraina 
    (Noana aho)3 rehefa ariva 
Mijalijaly foana ny ankizy 
Ny fiainana mihalafo izay tsy izy 
Noana anefa atao ahoana moa?
Ny ofan'ny Sarety tsy voaloha 
Trosa lava foana 
    Tompon'ny Sarety tsy nanaiky 
    Fa nandeha nitory 
    Tany ampigadrana ny ampitso 
    Izy no natory 
    (Vohay aho)3 vao maraina 
    (Vohay aho)3 rehefa ariva 
Hanky vare ny fahantrana 
Ka afaka mitondra ampigadrana 
Izy ange tsy nanampo izany 
Fa resin'ny fiainana eto antany 
Resy lava foana 
    Vao maraina mbola maizina 
    Ny ilany atsinanana 
    Renoky ny tory mbola tsara nofy 
    Ny olo-manana 
    (Mandry)3 ny tanàna 
    Ilay mpikotaba vao maraina 
    Mantsy no voatana