Manome no tsara raha vokatry ny fo
Manome ilay fihetsika ambony sy mihaja tokoa
Na iza manome dia ho sambatra ao am-po
Indrindra raha mahavonjy amin’ny fotoana izay mahavoa
Manomeza amin’izay fanananao
Fa ho velon-kira ianao
Ajilaye oaoa ! ajilay e (in4)
Satria tsara ny manampy izay voa
Maharavoravo mahavelon-kira tokoa
Atao hoe manampy izay manome an-tsitrapo
Mahavonjy toy ny manome indroa
Manomeza amin’izay fanananao
Fa ho velon-kira ianao
Ajilaye oaoa ! Ajilaye !
Ajilaye oaoa ! …