4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tazom-pitia - Mahaleo

-----
Fa voan’ny tazo ity vehivavy ity
Na ny mpitsabo aza very dia
Noheveriny ho tazo mahery
Na tazo azo tamam-pery

Nony natao ny fizahana
Toa hafahafa ilay hafanana
Tazo ty fantam-piaviana
Vaovao ka tena nahaliana

             Hay izy ity tazom-pitia
             Tsy sitran’izay fanafody
             Mahaosaosa ireo izay voa
             Mampilomay ny fitempon’ny fo

Nivaquine telo isan’andro
Mitsindrona maraina atoandro
Ny fanafody asisika esty andaniny
Tsy hay intsony izay tsy nohaniny

Ilay hafanana miakatra malaky
Ny terimaometatra aza vaky
Tsy (????) ts’isy, ts’isy nandaitra
Ilay hafanana toa tsy taitra

             Hay izy ity tazom-pitia
             Tsy sitran’izay fanafody
             Dia tsy mba misy fanefitra
             Mihizihizy tsy mety hilefitra

Lany aiky Radoko
Fa sendra aretina mihoko
Izay hoy izy angamba no farany
Fa very an-javona ny hasasarany

Vorio daholo ny havana rehetra
Ka tanteraho izay sitrapony
Hajao koa ny faniriany
Mandra-pijanona ny fony

             Ka indro tonga ity lehilahy
             Tonga hamangy fa kilasy iray
             Teo vao niseho ny fahagagana
             Nisinda ho azy ilay fanaviana

F’io lehilahy io no nantenainy
Ho fanafody hamitombo ny ainy
Fa ny azy fitia otrik’aretina
Nihanaka f’efa ela nentina

Fa izy tsy vita vakisiny
Fa fo madio tsy manan-tsiny
Nivesatra tsiambaratelo
Saika nindaosina alahelo

             Hay izy ity tazom-pitia
             Tsy sitran’izay fanafody
             Teo vao niseho ny fahagagana
             Nisinda ho azy ilay fanaviana

Partager tazom-pitia

Commenter tazom-pitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite