4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsisy tsiny - Mahaleo

Isika mifankahala

Mifampijery toa vahiny

Nefa anie nahalala

Mba nifankatia fahiny

Ts’isy tsiny

Ts’isy tsiny ny amin’iny



Tonga ny lainga sy ny fitaka

Ny toky teny hidiany

Sarisaritaka

Ny fony no vangiany

Ts’isy tsiny

Ts’isy tsiny ny amin’iny



             Saingy ny ankizy eo afovoany

             Tsy hay izay hadisoany

             Tsy hainy ny ataony

             Mikorontana ny fony

             Tsy hinoany

             Hoe tsy mifankatia intsony



             Ianao mandrirotra an-kavia

             Izaho misintona an-kavanana

             Izay no arahan’ady

             Tsy hotoloran-tanana

             Tsy azo avahana

             Samy ny tiany no arahana



-----



Jereo ireto zaza

Manao izay hidivirana

Leon’ny vazavaza

Ny ato an-trano andosirana

Sahirana

Ts’isy azo hifikirana



Aleony mirenireny

Ny ato an-trano andosirana

Na ray na reny

Tsy ahitana mangirana

Sahirana

Toa Ts’isy andry hifikirana



             Isika roa no tia  tena

             Manao ny  adalana

             Ny menaky ny aina

             No zary mihanahana

             Tsy tamana

             Manahy izay hiafarana



             Isika indray no gagagaga

             Manao hoe indrisy

             rehefa injay ny zaza

             Mandao lala-mahitsy

            Tena tsy izy,

             Ny mahazo ny ankizy



------

Isika mifankahala

Mifampijery toa vahiny

Nefa anie nahalala

Mba nifankatia fahiny

Ts’isy tsiny

Ts’isy tsiny ny amin’iny





MAHALEO

Partager tsisy tsiny

Commenter tsisy tsiny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite