4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Trano gasy - Mahaleo

Novakivakiana ny firaisankina
tsy hoe tsy fidiny io fa fanahiniana
ny fizarazarana izay hanjakana
nataon'ny mpanjanaka io ho fitondrana

Nandova izany ary Ramalagasy
Tsy nahay nandova tsara fa nandova ratsy
ka nanohy ilay fomba fanao mampifandrafy
tsy ho mora anefa ny hijinja ny nafafy


Ianareo izay nafarana e! hamitrana fihavanana
vao maika koa mampizarazara
Ianareo izay nafarana e! hamitrana fihavanana
vao maika koa mampizarazara

Tsikalakalam-bola lasa sarobidy
tsikalakalam-pihavanana manomboka tsisy
very fanahy maha gasy ny mpiara-monina
mikiry biby vao lasa olona tsy mora mionona

Ny takalom-patsa vidim-pihinanana
izany izao no malaza ka hifaninanana
nahazo toerana rafahalalahana
mikisakisaka amin'izay ireo tsy ampy fananana

Ianareo izay nafarana e! hanavotra tanindrazana
vao maika koa mampivandravandra
ianareo izay nafarana e! hanavotra tanindrazana
tsisy aro fanina izao ny tanàna

Isika malagasy zanaka amam-para
tsy nahay nandova an'i Madagasikara
ity nosin-drazana lazaina fa masina ity e!
ny mpanota fady indray no manjaka ety

Isika samy malagasy aoka tsy hifanome tsiny
ny heloka rehetra anie tsy an'ireo vahiny
aza kivy fa tsy vola ihany no hatao fanarenana
firaisankinantsika koa lalam-panorenana

Isika izay hanangana e! ndao hiaraka hanangona
ho vato fototry ny malagasy
Isika no hanangana e! fifanomezan- tànana
hanaovana ny fototr'ilay trano gasy
Isika izay hanangana e! ndao hiaraka hanangona
ho vato fototry ny malagasy
Isika no hanangana e! fifanomezan-tànana
hanaovana ny fototr'ilay trano gasy

Partager trano gasy

Commenter trano gasy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite