Tapa-kevitra aho tapa-kevitra aho hamoy mandrakizay
ny fiarahantsika ,ny fitiavantsika ka hiova hafa indray
nohararaotinao, nohararaotinao ny fahatsoram-poko
dia ninianao dia ninianao nitia an-tsokosoko.
Tsapanao mantsy ,tsapanao mantsy fa tena potika aho
tsy nohenoinao tsy nohenoinao raha mbà nitalaho
betsaka loatra betsaka loatra ny mafy nozakaiko
efa saika niala efa saika niàla hatramin’ny aiko
-Tsy tantiko intsony tsy tantiko ny mijaly aminao
tapa-kevitra aho
koa masina ianao aza malahelo raha tojo izay iriana
tapa-kevitra aho
veloma akia veloma hoy aho izao no efa anjara
ny lasantsika ny momba antsika hipetraka ho tantara( 2 fois)
veloma hoy aho
veloma
tsy hitako intsony
aoka izay
veloma aa
aha!