4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tokana - Mahaleo

Misy tany tokana sady boribory a
Mihodinkodina eny an-danitra eny a
Mitady lalan-kafa, hafa hizorana
Fa leon'ny mihodinkodina amin'ilay masoandro a !

Ny masoandro kosa, kosa, kosa
Tsy mamela azy a, fa mitazona azy foana a !

Misy olon-tokana mitondra fitiavana
Nozarazarainy eran'ny tany
Nahazo daholo ny olona rehetra
Mitambatambatra izay mifankatia

Fa ny tany kosa, kosa, kosa
Mihodinkodina any a, tsy miraharaha izany an !

Raha misy olo-marina mitondra fanjakana
Raha fanjakana marina mitondra firenena
Raha firenena marina mitondra tanana
Raha tanana marina eran'ny tany

Ilay tany kosa, kosa, kosa
Mihodinkodina any a, tsy miraharaha izany an !

Raha misy olo-masina mitondra fivavahana
Fivavaha-masina mitondra mpivavaka
Mpivavaka masina mitondra mpiangona
Mpiangona masina eran'ny tany

Ilay tany kosa, kosa, kosa
Mihodinkodina any a, tsy miraharaha izany an !

Misy mompera tokana eo ambony altara
Sy mpiangona tokana eo ambony dabilio
Dabilio tokana ao anaty fiangonana
Fiangonana tokana ao an-tanana

Fa ny tany kosa, kosa, kosa
Mihodinkodina any a, tsy miraharaha izany an !

Misy pastera tokana eo ambonin'ny altara
Sy mpiangona tokana eo ambony dabilio
Dabilio tokana ao anaty fiangonana
Fiangonana tokana ao an-tanana

Fa ny tany kosa, kosa, kosa
Mihodinkodina any a, tsy miraharaha izany an !

Misy Baiboly ngôda be ambonin'ny altara
Altara be ao anaty fiangonana
Fiangonana be misy tilikambo a !
Tilikambo avo be eran'ny tany a!

Fa ny tany kosa, kosa, kosa
Mihodinkodina any a, tsy miraharaha izany an !

Misy vola be dia be eo ambonin'ny latabatra
Latabatra be ao anaty efitrano
Efitrano be ao anaty trano avo
Trano avo be manerana ny tany a !

Fa ny tany kosa, kosa, kosa
Mijanona am'zay a, tsy mihodinkodina intsony an !

Partager tokana

Commenter tokana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite