Mifeheza tena hanam-pahendrena
Tsy ho baikoin’ny sendaotra ao am-po
Halalaho ny saina, aza dia terena
Hamaly eo noho eo ratra iray nahavoa
Mandiniha aloha, aoka tsy ho maika
Ndrao hanenenanao izay vita avy eo
Aleo lavitra aza mody tsy miraika
Kanjo ny voka-tsoa tena kendreo
  Fa tsy maty akory 
  Ilay atao hoe "tody"
  Na dia mihamaro ireo jiolahy ratsy fanahy
  Koa dia tehirizo ny fonao madio
  Aoka ny ampitso no hitsara ny anio
Ny tanora mantsy dia mangetaheta
Tontolo soa madio ts’isy longoa
Faniriana izany nefa mahareta
Izay nambolena anio ela vao mety hamoa
Mamafaza tsara, mambole finoana
Fa tsy mandrakizay izao hita izao
Mbola hisy andro, ora sy fotoana
Tsy maintsy hijinjanao izay asanao
  Fa tsy maty akory 
  Ilay atao hoe "tody"
  Na dia mihamaro ireo jiolahy ratsy fanahy
  Koa dia tehirizo ny fonao madio
  Aoka ny ampitso no hitsara ny anio