raha mandinika ny asanao zahay Ray ô
dia feno hafaliana tokoa
Ireo zava-boahary marobe
zay noharianao mba ho anay
dia manambara ny fahatsaranao
ouh! ouh! eny tsara Ianao Ray ô
eny tsara tokoa ny asanao
heniky ny voninahitrao
izao rehetra izao
ny habakabaka manambara
ny asan'ny tananao
ny andro samy miteny
amin'ny andro mifandimby
ary ny alina samy manolo-pahalalana
amin'ny alina
lehibe tokoa izany asanao
tsara sady tena mahasoa
ireo loharano an-dohasaha
izay tena mahate hizaha
dia samy ilainay avokoa