Mamikavika mafy(ianao)
handeha hitsena an’azy(in-2)
de varimbarina teo(ianao)
kanjo tratran’ny embouteillage(in-2)
Tazatazaniny ianao fa tsy tazany
Ny andro efa mihariva,hariva ihany
Nandrasany ianao,fa tsy tonga mihitsy
’Reo taxi-be sy bus efa vitsy dia vitsy
Dia voapetraka izy,voapetraka mihitsy
Ny andro efa maizina be
Mpandeha efa vitsy
Manganohano izy
Lasa nody irery any
Manganohano izy
Lasa nody irery tomany e
Mitsonika tsy moramora e
Reo ranomasony be dia be tomany tomany
Sahirana izy mitady ny very
Mihira mangina ao anatin’ny aizina irery
Tongava am’izay hono ianao fa aza ela
Fa ny fony voaomana hiandry hatry ny ela
Tonga am’izay ono enao fa aza ela e
Eny ananona hono izy mba jerijerena
Napetrany ianao e!
Napetrany tao
Napetrany ianao e!
Napetrany tao
Miverena e,aza ela e!
Miverena hoy aho,aza ela hoy aho
Miverena hoy aho,aza elabe
Miverena hoy aho,aza ela be ianao
Miverena aza ela,miverena,aza ela ianao
(Tonony sy feony :Ny olombelo Ricky)