4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira 1+1=1 - Ricky

(Ricky)

Sendra nandalo anie aho tamin’izay

Nivezivezy fa tokana iray

Tampoka teo reko avy any aminao

Hazavana hafanana hatsarana

(Poopy)

Sendra nandalo ianao tamin’izay

Nifanojo ny masontsika

Nientana iray ny fo sy fanahy

Ka tsaroako tsy afaka an-doha



(Miaraka)

Tsy nisy nanampo izaho sy ianao

Fa hifanojo dia ho eto izao

Vonona ny hiaraka fa tia

Ka ny faniriana ho doria



(Ricky)

Tonga tsy nantsoina avy ao anatiko ao

Nisy hery iray fitiavako anao

Sitraky ny Ray fa ho antsika amin’izay

Ny hitambatra olon’iray



(Poopy)

Reko fa nanohina ilay antsonao

Ny bitsika manginan’ny foko

Tsy haiko nolavina fa hery iray

Izay nandresy ireo ahiahy.

Partager 1+1=1

Commenter 1+1=1

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ricky

Suite