4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Amorom-parihy - Ricky

Ho avy any izao ka tandremo sao tsy vohainao

Fa ny orana mikija tsy hasakana ahy tsy handeha

Na hanjombona ny andro ny ho tonga tonga foana

Efa masaka ato antasaiko aky

Ny hijery anao hamangy anao

Etsy amorom-parihy





’Zaho tsy maintsy tonga any na ho sasa-kalina aza

Na lavitra ny lalako any tsy hasiako feo tomany

Fa holalaovintsika io hariva manontolo

Tsy asiantsika very aky

Fa omeko anao,omeko anao,Omeko anao

Omeko anao izy manontolo





Fa ny fitiavanao(in-2)

Kanto lotra e(in-2)





N’inona n’inona hitranga any ianao no faniriko

Ilay fitsikinao hafahafa iny mitsy no tena fifaliako

Dia atolotro anao ’zay rehetra mety ho tsiky

Dia ho sambatra aho sambatra aho

Raha omenao omenao ahy ilay tsara ndrindra any aminao



Tsy izaho irery ihany no maniry tahaka izany

Ianao tsy mba milaza anie izay any am-ponao

Fa iny lanitra iny no adiresy iraisantsika

Anoratako ho anao anie raha sendra ka tsy hita

Andefasako amoranako izao hirahira izao ho anao





Fa ny fitiavanao(in-2)

Kanto lotra e

Kanto mihotra e

(Tonony sy Feony:Ny olombelo Ricky)

Partager amorom-parihy

Commenter amorom-parihy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ricky

Suite